Tontosaina anio, ny fifaninanana hamaritana ny hisolo tena ny tanànan’Antalaha sy Toamasina, amin’ny « Slam nationale 14 ». Eny amin’ny Alliance Française, amin’ireo tanàna ireo no hanatanterahina izany fifaninanana izany. Ny Madagaslam, miaraka amin’ny vondron’ny mpiangaly Slam amin’ireo toerana ireo no mikarakara ny hetsika. Olona roa no andrasana sy hisolo tena ny tanàna ao anatin’izao fifaninanana izao.
Efa vonona ny mpifaninana ho an’ny tanànan’Antalaha sy Toamasina. Raha tsiahivina, efa maro ny seho sy atrikasa ary fampiofanana maro, nentina nanomanan-tena ho an’ny mpandray anjara tsirairay, isaky ny tanànany avy. Ho an’ny fepetra fandraisana anjara, mihoatra ny valo ambin’ny folo taona, manana lahatsoratra roa, tsy mihoatra ny 3 minitra sy 10 segondra. “Somary nihatanora ny mpandray anjara. Ho ambony kosa anefa ny lentan’ny fifaninanana raha ny hita nandritra ireo hetsika nentina nanomana izao fifaninanana hisolo tena ny faritra izao”, hoy ny tomponandraikitr’i Toamaslam.
Lin M.