Afaka enina andro. Hanomboka ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023. Fifaninanana izay hotanterahina eto amintsika, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Maherin’ny 80 ny trano fandraisam-bahiny (hotel) afaka hivantanan’ireo delegasiona, izay mahatratra 4 400 isa.
Nanatanteraka lalao fitsapana tao Mahamasina, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny alakamisy lasa teo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 1, ny ekipa voafantin’i Boeny, izay nampian’ny Jet Kintana. Araka izany, efa vonona ny hiatrika ny lalaon’Nosy ny Barea. Nilalao i Ando Pro sy Rojobe, mila ravinahitra atsy La Réunion.
Hifarana rahampitso, any Ambatondrazaka, ny fiofanana mpanazatra, “Super week”, taranja Rugby. Marihina fa nanomboka ny alakamisy 17 aogositra lasa teo ity fiofanana ity, ary ireo mpampiofana ao amin’ny World Rugby no mitondra ny fampianarana amin’izany. Anisan’ireo nianarana tamin’izany ny fitsaboana olona na ny “Sécouriste medicale”.
Nivoaka omaly ny mpilalao baolina kitra telo voalohany hofidiana amin’ny UEFA Men’s Player of the Year 2023. Ilay belza, Kevin De Bruyne sy ilay Norvezianina, Erling Haaland ary i Lionel Messi, mpilalao Arzantinina no hifanintsana amin’izany. Marihina fa i Erling Haaland sy i Kevin De Bruyne, nahazo ny amboaraben’ny Ligue des Champions.