Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny kabary malagasy. Hofaranana, anio, any Toamasina ny « Herinandron’ny Kabary » andiany faha-17. Efa nisantatra tsikelikely io hetsika famaranana io ny fandaharam-potoana notontosaina, omaly. Fitsidihana ireo toerana manan-tantara sy faka iorenan’ny kolontsaina malagasy any amin’iny faritra atsinanan’i Madagasikara iny. Tafiditra tao anatin’izany ny seranan-tsambo. « Hianoka ny hakanton’ny zavaboahary isika », hoy Andriamboavonjy Hanitra, filohan’ny birao foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Mpikabary manerana ny Nosy sy avy any ivelany no tonga manatrika ny « Herinandron’ ny kabary ». Maro amin’izy ireo no liana ka te ahafantatra ny momba an’i Toamasina sy ny kolontsaina mampiavaka azy.
Amin’ny ankapobeny, nizotra araka ny nandaharana azy ny fandaharam-potoanan’ ny « Herinandron’ny kabary » andiany faha-17. Na eo amin’ ny fitantanana, na eo amin’ny fampianarana, sns, nisy ny fanapahan-kevitra niraisan’ny rehetra hoenti-manatsara sy hampivelarana ny hasin’ny kabary malagasy sy ny maha olona manontolo. Andraikitra sy adidy iantsorohan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma) rahateo izany, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra.
HaRy Razafindrakoto