Tobim-pahasalamana an-tsekoly: ho am-perinasa tanteraka amin’ity taona ity

Efa miparitaka eny amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ireo mpitsabo mpanampy hisahana ny fitsaboana ny ankizy eny amin’ny tobim-pahasalamana an-tsekoly, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena.
Nanaraka fiofanana izy ireo ary nahazo ny fifanarahana arakasa. Efa vonona ihany koa ny fitaovana sy ny fanafody handraisana an-tanana ny tranga mety hiseho amin’ny mpianatra eny an-tsekoly.
Raha sanatria tra-doza tampoka na tsy fahasalamana ny mpianatra eny an-tsekoly dia iandraiketan’ny tobim-pahasalamana an-tsekoly ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana azy.
200 Ar ny latsakemboka aloan’ny mpianatra iray isan-taona ka avy amin’izany no ampihodinana ireo tobim-pahasalamana an-tsekoly ireo. Ireo nahaloa ny latsakemboka, araka izany, no misitraka ny fikarakarana raha sanatria tra-doza.
Marihina fa ny tsinjo fahasalamana an-tsekoly dia tetikasan’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena izay tanterahin’ny ofisy nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly. Ezahina hapetraka amin’ny fari-piadidiam-pampianarana, 114 manerana ny Nosy, ny tobim-pahasalamana an-tsekoly. Hanampy betsaka amin’ny fampihenana ny tahan’ny tsy fahafahana mianatra sy ny fitsoahana an-daharana ity tetikasa ara-pahasalamana an-tsekoly ity.

Tatiana A

Partager sur: