Nanomboka omaly ary haharitra telo andro ny tsenaben’ny atody, andiany faharoa, atao eny amin’ny kianjabe Antanetibe Mahazaza, Mahitsy. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny mpamatsy sakafo ho an’ny biby fiompy sy ireo tantsaha mpiompy. Eo koa ny fampiasana ny fitaovana ara-teknolojia mba hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra.
Nanaraka fiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny fanodinana sy fitehirizana vokatra, toy ny voankazo sy legioma ary hazandrano, ireo kaoperativa sy orinasa madinika 20, avy ao Toamasina sy ny manodidina. Tanjona ny hahamatihanina ny kaoperativa sy ny orinasa madinika ka ho afaka mifaninana eo amin’ny sehatry ny tsena.
Nankatoavina ny drafi-panajariana ny jono ao amin’ny faritra Atsinanana. Tonga nitsidika tany an-toerana ny sekretera jeneralin’ny faritra Atsinanana sy ny sekretera jeneralin’ny ministera ary ny delegasiona notarihiny. Voasolo tena avokoa ireo mpisehatra amin’ny jono ao amin’ny faritra.
Nanomboka omaly, ary hitohy rahampitso ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny toekarena manga, ao Morondava. Nanokatra ny hetsika ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana eto Madagasikara ny toekarena manga. Voaresaka nandritra izany ny fanamby sy ny soa fanararaotra amin’ny rafitra anatin’ny toekarena manga sy ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra rehetra amin’ny fananàna vina mitovy.