Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny Malagasy ilay tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro napetraka ao Toliara. Miavaka sady matanjaka izy ary handrakotra herinaratra amina kaominina maro any an-toerana.
Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo avaozina eto Madagasikara. Notokanana ny sabotsy teo ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, “centrale solaire” (CS) ao amin’ny kaominina Betsinjaka Andranomena, distrika Toliary II. Manana tanjaka 2 9MWC ity tobim-pamokarana goavana ity ary hamokatra herinaratra mahatratra 6 000MWh isan-taona. Manana “onduleurs” 88 isa izy ka tokantrano 6 324 no misitraka ny herinaratra voalohany. Fantatra fa manodidina ny 19 000 kosa ny hanjifa izany eo anivon’ny kaomininin’i Toliara. Manana velarana hatramin’ny 60 000 m2 ny toerana misy ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ity. Tombony ho an’ny tontolo iainana ny fananana azy noho izy hanala ny entona ratsy (CO2) milanja 0,778 t isaky ny MWh. Mbola hamatsy 50% ny tambazotran’ny orinasa Jirama ihany koa io tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro io.
Tombony
Faharoa amin’ny habeny aty Afrika ity fotodrafitasa ity. Mitsitsy hatramin’ny 7 miliara 700 tapitrisa Ar isan-taona amin’ny fividianana solika mavesatra HFO izy. Miavaka izy, azo ahorona sy ampirimina ireo “panneaux solaires” amin’ny fotoan’ny rivodoza. Taratra sy fampiroboroboana ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) ny nahazoana izao vokatra izao. Tafiditra ao anatin’izany ny orinasa ENELEC sy ny LIDERA GREEN POWER. Atao izao ho fampandrosoana ny firenena sy ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra.
Henintsoa Hani