Ankazobe : mpaka an-keriny roa lavon’ny zandary

Nokarohina hatry ny ela. Rotiky ny bala ny dahalo roa lahy tao amin’ny distrikan’i Maevatanana, ny 19 aogositra teo. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny andian-dahalo
sy ny  zandary tao amin’ny fokontany Anosipotaka, kao­minina ambanivohitra Tsiafabositra. Ikoizana amin’ny
halatra omby, mpandray anjara tamin’ny tranga fakana an-keriny tao Maevatanana, Ankazobe hatrany Anjozorobe ireto olon-dratsy ireto. Naharay loharanom-baovao ny zandary ao Maneri­nerina. Nihaodihaody efa manomana asa ratsy indray ry Sara Kely sy Celestin. Nitifitra avy hatrany ireo dahalo rehefa nahatazana ny mpitandro filamina. Namaly ireto farany ka maty ny roa tamin’ireo mpaka an-keriny. Nirifatra nandositra ny namany. Mitohy ny haza­lambo ataon’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: