Bakalorea : 56,58% ny taham-pahafahana teto Antananarivo

Tao anatin’ny tebiteby no niandrasana ny voka-panadinana bakalorea, ny faran’ny herinandro teo. 56,58% ny taham-pahafahana ho an’ny teto Antananarivo.

Tontosa ny sabotsy teo ny famaritana ny naoty farany ambany ho an’ny fa­nadinana bakalorea na ny (délibération). Nivoaka tamin’ ny fomba ofisialy ny alahady teo kosa ny voka-panadinana ary niparitaka tamin’ireo foibem-panadinana teto Anta­nanarivo.

Fantatra tamin’izany fa na­hatratra 56,58% ny taham-pahafahana ho an’ny bakalorea ankapobeny, raha 66,91% ny teknika teto Antananarivo. Mpiadina 46 338 amin’ny 80 862 no afa-panadinana.

65,57% ho an’ny sokajy A1 raha 59,67% ho an’ny sokajy A2. 68,82% kosa ho an’ny sokajy L ary 55,33% ho an’ny sokajy C. Ho an’ny sokajy D dia nahatratra 48,16% ny taham-pahafaham-panadinana. 34,62% izany ho an’ny sokajy S ary 55, 18% ho an’ny OSE.

Raha ny tatitra nataon’ireo mpampianatra mpitsara fanadinana dia mpampianatra 7 amin’ireo 3 000 no nanao ny fanapahana ny naoty farany ny sabotsy teo. Manameloka ny amboletra ataon’ny tomponandraikitra ireo mpampianatra ary midika ho fanimbazimbana ny hasin’ny mpampianatra ity fanaovana bontolo ity.
Tetsy andaniny, nitondra fanazavana ny talen’ny fampianarana ambony, Razafi­mahatratra Andrianaivo fa efa tonga any amin’ny oniversite avokoa ny vola ho amin’ny tambin-karama taona 2022 ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea. Efa nanao ny fandoavana izany ny eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo.

Mikasika ny taona 2023 kosa dia ilaina ny fahavitan’ny asa rehetra ka rehefa vita izany vao afaka miroso amin’ny fikarakarana ny fandoavana ny tambin-karana taona 2023 indray ny eo anivon’ny oniver­siten’Antananarivo

Tatiana A

Partager sur: