Anio alatsinainy hariva no vinavinaina hivoahan’ny petadrindrina mirakitra ny lisitr’ireo mpianatra afa-panadinana bakalorea, ao Toamasina. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina kosa ny fiantsoana ireo mpampianatra hisahana ny fandinihana ny naoty farany ambany ekena amin’ny fahafahana.
Nambaran’ny filohan’ny oniversiten’ i Toamasina, ny dokotera Razanakolona Diny fa noho ny haratsin’ny toetr’andro no anisan’ny nahatonga ny fahataran’ny famoahana ny voka-panadianana. Tsy afaka mandeha ireo avy any Maroantsetra sy Ste Marie izay tsy maintsy ranomasina no hitsakana ary Marolambo vokatry ny haratsian-dalana ka betsaka ny fiarovana ireny fitaovana momban’ny voka-panadinana ireny. Eo koa ny fampihenana ny isan’ny mpitsara amin’ny antsasany mihitsy.
Marihina fa betsaka tamin’ ireo mpianatra niatrika fanadinana BEPC sy bakalorea no tonga tao amin’ny “Manda fort”, Mahavelona Foulpointe, nangata-pitahiana ary nitondra penina ka nametraka izany sady manao voady mba ho afa-panadinana. Rehefa afaka dia miverina indray manao fisaorana. Miisa 485 ireo penina tazana teny an-toerana nandritra ny fanadihadiana.
Sajo