Hotanterahina eny amin’ny boriborintany faharoa, ao amin’ ny tany malalaka manoloana ny fokontany Andohanimandroseza, ny hetsika ara-pahasalamana eny an-toerana. Ny 22 ka hatramin’ny 25 aogositra izao no hanatanterahana izany.
Hetsika karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny departemanta misahana ny fahasalamana. Tanjona ny hanolorana karazana tolotra ara-pahasalamana marolafy ho an’ny vahoaka eny ifotony.
Hisitraka ny fitiliana diabeta sy fitsapana tosidra ary fitsaboana amin’ny ankapobeny ny mponina ao amin’ny boriborintany faharoa. Eo koa ny fizahana maso maimaimpoana sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny zaza, fandanjana sy torohevitra momba ny sakafo ary ny fivarotana koba aina…
Ny fitaleavana momba ny fahasalamana ihany koa dia hanao fizaham-pahasalamana maimaimpoana sy hanome fanafody mifandraika amin’ny aretina mateti-pitranga. Eo koa ny fanentanana amin’ny fandrindram-piterahana sy ny fitiliana ny aretina VIH/Sida.
Mifanindran-dalana amin’ ny hetsika ny tolotra ara-tsosialy dia ny fihainoana sy tantsoroka ara-tsaina ary torolalana fanaraha-maso ireo olona marefo sy mila izany manoloana ny hamafin’ny fiainana sy ny herisetra eny anivon’ny fiarahamonina.
Ankoatra ireo ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza sy ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19.
Tatiana A