« Coupe Confédération CAF »: resin’ny Elgeco Plus teo an-kianjany ny Gaborone United

Nahazo fahombiazana tany an-tanin’olona ny solontenan’i Madagasikara, Elgeco Plus tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika isan-tarika ity. Resin’izy ireo 1 no ho 0 i Gaborone Botswana.

Ny tongotra ila no efa any amin’ny dingana manaraka ho an’ny ekipan’ny Elgeco Plus de Madagascar. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Ga­borone United Sporting Club, ny sabotsy lasa teo tany Botswana. Marihina fa fihaonana mandroso ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika isan-tarika “Coupe de la Caf” (CCAF) ity natao ity.
Raha hiverenana ny lalao, tsy nampoizin’ireo Botsoaney ny fanafihana nataon’ny Malagasy teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nisy ny daka mandrivorivo izay nataon’i Dinoh, mpilalao Elgeco Plus, ny minitra faha-25 ka vototra teo an-tanan’ilay mpiandry harato gaborone izany ka mora ho an’i Fenoha­sina Gille, lohalaharana Elgeco Plus nampiditra izany tao anaty harato. Niezaka nanenjika
ny isa ihany ny Gaboroney teo amin’ny fidirana faharoa saingy tsy nahita hirika teo amin’i Nina, mpiandry tsatoby malagasy.
“Tsara ny vokatra, manana tombony amin’ny isa iray ny Elgeco Plus de Madagascar. Amin’ny lalao faharoa, hiezaka ny haka fandresena ihany izahay”, hoy Radafison Jimmy, mpanazatra Elgeco Plus.
Hatao ny 27 aogositra ny lalao miverina
Ankoatra izay, higandona amin’ny 2 ora sasany eny Ivato ny ekipan’ny Elgeco Plus de Madagascar araka ny filazan’Andria­manampisoa Alfred, filoha tale jeneralin’ny Elgeco Plus. Noma­rihiny ihany fa hotanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Maha­masina, ny 27 aogositra ho avy izao, amin’ny 9 ora sasany alina ny lalao miverina amin’ny fihaonan’ny Elgeco sy Gaborone United.

Fitia

Partager sur: