J-5 mialoha ny hanombohan’ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy 2023, anio. Efa tonga eto Madagasikara ny afo manambara ny fisian’ny fihaonana iraisan’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mitety ireo faritra samihafa ny afon’ny lalao ary andrasana eto an-drenivohitra, toerana hanatontosana ny fifaninanana amin’ny alakamisy ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana.
Na tsy mbola manomboka aza ny lalao efa misy sahady ireo federasiona isan-tokony mahasahy milaza fa efa any am-paosin’izy ireo ny medaly volamena. Matoky tena ary efa manam-pinoana fa tsy maintsy ho azony izany. Tsy hamotsotra ny fandresena na inon-kidona na inon-kihatra.
Ny mpitazana manisa sy manao tombana ny amin’izay mety ho medaly ho azon’ny atleta malagasy, amin’io lalaon’ny Nosy io. Ao ireo taranja, hifampizarana amin’ireo nosy mpifaninana ny hahazoana ny medaly volamena. Fa ny tena hitodihan’ny sain’ny rehetra, ny amin’ireo taranja mety tsy hitondra medaly volamena, amin’ity. Raha ny zava-misy mantsy hita fa ho fandraisana anjara fotsiny ny azy ireo. Efa fantatra mialoha fa tsy ho resy amin’ilay taranja hifaninanana mihitsy ry zareo Nosy rahavavy, na eto Madagasikara aza no hatao ny fifaninanana.
Manoloana izany, tsy sahy manambara toa ireo taranja hafa, ny amin’ny herijika handrombahany medaly ireo federasiona vitsy, azo isaina amin’ny ratsan-tanana, ireo. Tsy matoky tena ary menatra ny hanambara izany. Menatra ihany koa ny hilaza fa fandraisana anjara no zava-dehibe. Na izany aza, ndeha homena ny mahereza ihany izy ireo, sao mety hahazo medaly ihany na ho alimo aza, mba ho voninahitry ny taranja.
Tompondaka