“Faniriana ny hisian’ny filaminana sy hirosoana amin’ny fifidianana amin’ny fomba demokratika”, hoy ny filohan’ny Fikambanana Malagasy mijoro (Fimami), any Toamasina, ny loholona teo aloha, ny Dr Benessy Harison Sébastien. Ny Lalàmpanorenana ihany no tokony hohajaina sy harahina. Efa niezaka tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni.
“Eny anivon’ny kaominina izao no mirotsaka manao ny asa fampandrosoana ny fitondram-panjakana”, hoy ny filohan’ny Sénat, Razafimahefa Herimanana, tamin’ny fitokanana ny lapan’ny Tanàna, Talata Volonondry, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Hita ny vokatra tsara rehefa tena misy ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana ary ny fifampitokisana
amin’ny fampandrosoana,
Anisan’ireo vehivavy ho kandidà, Ratsiraka Annick. Nambarany teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo ary tapaky ny antoko ny hahakandidà azy. «Latsaka an-katerena isika ka vonona izahay hanao ny fara hery hampandroso ny firenena. Miantso ireo ray aman-dreny hiara-kisalahy amin’izany sy hamerina ny hasin’ny firenena», hoy izy. Nanteriny fa tsy vitan’olon-tokana izany.
Sekretera nasionalin’ny PSD, Randrianasoloniaiko Siteny. Fantatra izany ny sabotsy teo, taorian’ny kongresy nataon’ny PSD. Nisolo ny toeran’ny teo aloha, Bezaza Eliana, lasa sekretera lefitra. Nampanantena izy ireo fa hanohy ny ezaka nataon’ny mpanorina ity antoko ity, Tsiranana Phillibert. Anisan’izany ny asa fa tsy kabary, ny politikan’ny kibo…