Nikatona ny alin’ny sabotsy teo ilay fifaninanan-kira « La voix d’or » andiany fahafito. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny sokajy zandriny i Rebeka, raha toa ka lasan’i Caroja kosa ny sokajy zokiny. Sahirana ary vaky vava mihitsy ireo mpitsara, satria dia tena mahay sy manan-talenta avokoa ireo ankizy niatrika ny dingana famaranana. Amin’ny maha fifaninanana azy anefa, tsy maintsy misy ny mpandresy ka teo amin’ny fiseharana sy ny fomba fihirana ireo hira natao an-tsapaka no tena niompanan’ny mpitsara.
Nambabo ny maro i Mathieu, nanao ny « Ho malalanao », an’ny tarika Zay. Naharesy lahatra kokoa ny mpitsara anefa ny « Tendre rêve » nataon’i Rebeka sy ny « Sarobidy » nataon’i Typhanie. Tsy nisy nokianina ihany koa ny « Tsy sahy » nataon’i Caroja, nibatany ny fandresena.
Zo ny Aina