Lalaon’ny Nosy : «  Efa ao anatin’ny fanomanana ny tenako », hoy i Mbola 

Hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao, ny lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11. “Efa ao anatin’ny fa­nomanana tanteraka ny tenako, ary hiezaka ny haka me­daly volamena ho an’ny Ma­lagasy rehetra aho”, hoy Rakotoniaina Aimé Mbola­lalaina Joël, Malagasy mpikatroka amin’ny taranja tolona.
Marihina fa i Mbola, voasokajy ao amin’ny “Sénior -74 kg”, ary efa manana ny lazany amin’ity taranja ity. Tsiahivina fa izy no nandrombaka ny medaly volafotsy ta­min’ity taranja ity, nandritra ny lalaon’ny “Francophonie”, izay natao tany Kinshasa, ny 28 jolay-6 aogositra lasa teo. 26 taona ity atleta malagasy ity amin’izao fotoana izao ary maniry ny ho lasa lavitra
amin’ity hetsika ity.
Tsara ny mampahafan­tatra fa ankoatra ny tolona, milalao amin’ny 3FB Rugby Analamanga, izay manao manasa-dalana amin’ny fi­faninanana “XXL Top 20” i Mbola.
“Tsara ny fanatanjahantena, ary rehefa manao zavatra dia ataovy am-pitiavana. Ny fikirizana sy ny fiezahana ihany no hahazoana vokatra tsara”, hoy ihany izy.

Fitia

Partager sur: