Paositra malagasy : hanohana ireo atleta hanao ny JIOI

Ministerana mpiahy ny taranja atletisma amin’ity lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina andiany faha-11 ity ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Rantsa-mangaika ao anatin’ity MNDPT ny Paositra Malagasy. Nitondra ny anjara birikiny ho fanohana ireo atleta manodidina ny 80 isa handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, teny amin’ny kianjan’ Alarobia, izy ireo, ny sabotsy teo. “Isan’ny mpanohana ny lalaon’ny Nosy hatramin’izay ny Paositra Malagasy”, hoy ny tale jeneraliny, Ranarison Richard. Nandray anjara hatrany ta­mina lalao maro isan-karazany maneran-tany ny atleta malagasy. Tsy zoviana amintsika, hoy izy, ny anaran-dRasoarizay Cla­ris­se, andrarezin’ny atletisma malagasy sy tompondakan’i Ma­dagasikara amin’ny hazakazaka. Mpiasa eo anivon’ny Paositra Malagasy izy. Ankehitriny, 52 taona ravehivavy ary mbola handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy amin’ity taona ity miaraka amin’ireo namany roa hafa mpiara-miasa aminy. Ankoatra izay, hanome tohana amin’ny alalan’ny boky tsinjo lavitra an’ireo atleta mahazo amboara amin’ity JIOI ity ny Paositra Malagasy.

Henintsoa H.

Partager sur: