“Slam nationale 14”. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana nahafantarana ny misolo tena ny tanànan’Antalaha sy Toamasina. Kalary sy Kudiart no laharana voalohany sy faharoa, ho an’ny tao Toamasina. Christelle Mboty sy Ash kosa ny an’ny tao Antalaha. Izy ireo, araka izany, no hisolo tena ny tanànany avy, amin’ny “Slam nationale 14”, hatao eto Antananarivo.
IKM Antsahavola. Mitohy hatrany ny fianarana sary ao amin’ny IKM Antsahavola. Ny ekipan’i R-Aly no mampiofana ireo ankizy, ka niompana tamin’ny tantara an-tsary ny sabotsy teo. Hisy ny fidirana vaovao amin’ny volana septambra, ho an’ireo ankizy liana amin’izany.
Literatiora. Tafita ho anisan’ireo mpifaninana 30 hiatrika ny dingana famaranan’ny “Prix des jeunes écritures 2023”, Andrianatsitoheriteny Aryela Aradrariny. Izy no hany Malagasy tafita amin’izao dingana izao. Tsiahivina fa am-polony maro ny tanora malagasy nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity.
“Madagascar en Lumière”. Tontosaina manomboka anio hatramin’ny 21 septambra 2023, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana « Madagascar en Lumière ». Hetsika karakarain’ny We light, hanehoana ny nandrakofana jiro ny tontolo ambanivohitra. Misokatra ho an’ny rehetra, ao anaty fanajana ny fepetran’ny toerana ny ranty.