Tazonina anaovana fanadihadiana eny Fiadanana i Riribe mpikambana ao amin’ny Rodoben’ny mpanohitra. Hatreto aloha tsy fantatra mazava izay anton’ny fisamborana azy fa mbola ao anatin’ny famotorana azy ny zandary.
Kilan’ny afo vokatry ny tsy fahatomombanana teknika ny taksiborosy iray mampitohy an’Ambanja sy Antananarivo, omaly. 21 km tsy hidirana an’i Maevatanana, nirehitra tampoka ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy.
Namoy ny ainy tampoka teny am-panatontosana ny asany ny mpanamory sambo iray,
tao amin’ny fari-dranomasina mifanandrify an’i Sainte Marie, afakomaly.Niala tao Toamasina, nikasa hitondra entam-barotra hihazo an’i Nosy-Be ny mpanamory, kinanjo maty tampoka teny an-dalana izy.
Lehilahy notoriam-badiny maty tampoka tao amin’ny fonja, tao Andilamena, ny alarobia 16 aogisitra teo. Avy nisakafo hariva, tsy nahazo aina ka safotra io lehilahy io. Nentina namonjy mpitsabo saingy efa namoy ny ainy.