Vaovao tambatra

Nifarana omaly ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny toekarena manga andiany voalohany, tao Morondava. Nisy ny fampahafantarana ireo fitaovana entina mandrindra ny fampiroboroboana ny hetsika amin’ny maha sehatra marolafy azy. Nivoitra tamin’ izany ny paikady enti-manatanteraka sy ny drafi-panajariana ary ny politika marolafy hitantanana ny ranomasina.
Nizarana akohokely 6 000 isa ireo mpikambana 700 avy ao amin’ny « rise and shine », ao Matsiatra Ambony. Mahatratra 3 580 kosa ireo nahazo fiofanana momban’ny teknika fambolena sy fiompiana, avy amina distrika hafa, toy ny ao Ambalavao sy Lalangina ary Isandra. Vina sy fanamby napetraky ny fitondram-panjakana ny fahavitan-tena ara-tsakafo fa adidy iraisana ny fanatrarana izany.
Notokanana tao amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana ny « Hôtel des finances”. Fotodrafitrasa lehibe sy miavaka izy ity satria misy ny birao sy sampan-draharaha rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Ahitana “garage administratif” sy toerana filalaovam-baolina ary “gites d’étapes” ity fotodrafitrasa ity.
Velarantany vita asa 28 ha, lavaka « basket compost » miisa 980 amina velarantany 16 ha. Fiofa­nana momba ny fambolena mangahazo manaraka teknika nohatsaraina ary famatsiana taho mangahazo. Ireo ny vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fiompiana sy ny minisiteran’ny Fitsarana.

Partager sur: