Miraradraraka an-tany ny ran’olombelona tsy manan-tsiny. Maro ny rava fananana anatin’ny indray mipi-maso. Betsaka ny maratra sy mitondra takaitra mandra-maty. Santionany amin’ny voka-dratsin’ny lozam-pifamoivoizana niseholany tato ho ato izany. Mampalahelo fa noho ny tandrevaka sy ny fanaovana antsirambina ary indrindra ny tsy firaharahana ain’olona no mahatonga izany. Marina, tsy maty raha tsy amin’ny androny, hoy ny fitenintsika mahazatra. Tsy antony, hialana ilany amin’ny andraikitra mipetraka eo an-tsoroky ny tsirairay izany, amin’ny fitandremana tokony hatao.
Ahoana no hilazana fa ny Ray ao an-danitra no niantso kanefa dia fiara sady lany fitsirihana teknika sy vao namboarina, ary tokony hanao andrana ilay nahafatesana olona? Ny sasany, fiara vao tonga dia manao dona miverina. Matin’ny sitrany ahay sy ilay tiatiakely. Lany fanahy na ny tompon’ny fiara na ny mpamily, mihevitra fa fanararaotana ny tsy fahampian’ny fiara fitaterana sy ny fahamaroan’ ny mpandeha. Mivadika ny rasa, tsy ny fanahy intsony no olona, fa ilay vola no maha rangahy sisa no mibaiko.
Taratry ny fahantrana lalina avokoa izany. Baikoin’ny tsy fisiana sy ny fiankinandoha amin’ny vola. Tsy azo odian-tsy hita koa anefa; tsy maintsy itondrana tsindrim-peo ny momba ilay haratsian-dalana. Simba ny ankamaroan’ny lalam-pirenena. Lazaina fa ny lalana no avokavoka manodina ny fampandrosoana isam-paritra. Ny mifanohitra amin’izay ny zava-misy. Voafetra ny fivezivezena amin’ny saran-dalana izay midangana. Maty antoka ny mpandraharaha amin’ny fitaterana amin’ny fahasimban’ny fiara. Ny vidin’ny kojakoja anefa midangana sy miaka-bidy andro aman’alina.
Fehiny, boribory vetaveta anaty fahalovana sy mandry an-driran’antsy lava izao ilay fiainan’ny vahoaka malagasy.
r.r