Fampananan’asa ny tanora : napetraka ny fandaharanasa lasitra

Natao, omaly, ny atrikasa momba ny fandaharanasa lasitra ho fampananan’asa sy fandraharahana ho an’ny tanora eto amintsika. Nia­rahan’ny fanjakana malagasy sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) teny Anosy, izany. Nanotrona tao koa ny sendikàn’ny mpiasa sy ny mpandraharaha eto amintsika. Tanjona ny hijery ny olana tsy ahazoan’ny tanora asa sahaza sy ny vahaolana azo heverina hamahana izany. Efa nisy ny fihaonambe momba ny fampananan’asa ho an’ny tanora, ny volana mey 2022, nampisongadina ny olana misy izay natao an-tsary sy ireo mpisehatra ary ny asa efa misy, hoy ny filohan’ny Obser­vatoire des jeunes. Naroso tao ny asa tokony hatao hatramin’ny taona 2030 ahazoan’ny tanora asa. Efa manana fandaharanasa hanosehana ny tanora ny fanjakana amin’ny tetikasa fihariana mipaka amin’ny tanora maro, OdOf eny amin’ny distrika, hanampiana ny tanora hanodina ny akora ao amin’ny distrika misy azy hitondra fampandrosoana. Maromaro ny distrika efa misitraka ny tohana, amin’izao fotoana izao, hoy ny praiministra nandritra ny hetsika omaly.
Tsy vitsy koa ny tanora mamorona asa ho an’ny tenany rehefa nahazo tohana ara-bola sy teknika ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena.

Vonjy A.

Partager sur: