Fampianarana ambony : nanidy vavahady ny Seces, hihamafy ny fitakiana

Antso an’efitra ihany ny an’ny Seces, sampana Antananarivo hatramin’izao. Hihamafy hatrany ny hetsi-pitakiana. Nanakatona vavahady izy ireo, omaly.

Naneho tsy fankasitrahana ny Seces sampana Antananarivo, omaly, ka nanomboka nanidy vavahady nandritra ny ora iray. Napetraka ihany koa ny sora-baventy milaza fa ny oniversite sy ny foibem-pikarohana dia mitokona.

Manao zinona sy ankilabao ary anjorom-bala ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fitondram-panjakana, hoy ny filohan’ny Seces, manoloana ny fitakiana ataon’izy ireo.

Hifamafy hatrany ny endri-pitakiana mandra-pahazoana valiny mahafa-po amin’ny fitondrana mahefa. Miantso ny fitondrana amin’ny famahana ny olana izy ireo.

Tsy mirary ny hisian’ny taona fotsy velively ny Seces. Izany no anton’ny hetsika fivoriana isaky ny 3 na 4 andro hiandrasana fatratra ny famalian’ny fitondram-panjakana ny fangatahana, raha ny fanazavana hatrany. Rehefa misy ny vahaolana mahafa-po entin’ny fanjakana dia miroso avy hatrany amin’ny fampianarana ny Seces.
Na tsy hitokona aza ny Seces dia tsy hisy vokatra mihitsy eo rehefa tsy mampianatra ny “vacataires” izay miantoka ny 70%-n’ny fampianarana eny amin’ny Oniver­site.

Raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony tamin’ny Seces dia nilaza izy ireo fa efa tonga any amin’ny fiadidian’ny primatiora ny filazana ny fitakian’ny Seces.

Voalaza ihany koa fa efa lasa ny volavolan-dalana 6 ka ny 5 amin’ireo dia ny fampiharana ny voalazan’ny lalàna laharana 2021-005 momba ny sata mifehy ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Mikasika ny fampiakarana ny mpampianatra nahafeno fepetra ho tena raikitra kosa ny volavolan-dalàna iray. Efa tsy nisy tao anatin’ny 6 taona izany.

Tatiana A

Partager sur: