Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny toeram-pampianarana mitory teny The 3M Preaching Institute, etsy Ambatoroka. Sekoly ambony mampiofana olon-tsotra na mpitandrina na ireo te handalina ny Baiboly hitory teny ity vao nisokatra ity.
2 taona ny faharetan’ny fampianarana ary efa mahatratra 22 ireo mpianatra mandranto fianarana ao, amin’izao andiany voalohany izao. Mahaliana ny rehetra izany. Miara-miasa amin’ny fiangonana mino ny Filazantsara rehetra ny sekoly ary mamolavola ireo mpiofana ho tonga olom-banona sy mendrika ary modely amin’ny fitoriana.
Nilaza ny filoha mpanorina ny sekoly sady tale, Ravoahangy Faly, fa tanjona ny hamerenana ny Baiboly amin’ny polipitra. Hanaparitaka ny fitoriana Filazantsara manerana an’i Madagasikara ihany koa.
Nanotrona ny lanonana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. “Ilaina ny toeram-panofanana toy itony satria mitarika ny tanora ho amin’ny lalana mahitsy sy marina ary tena ilain’i Madagasikara izany manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena”, hoy izy.
Tatiana A