Mahatalanjona ny mahita ireo haikanto miranty eny amin’ny Hakanto Contemporary, ao anatin’ny fampirantiana “Lamba forever”. Betsaka ihany koa ireo tsy nanampo ny haikanto vita amin’ny lamba sy ny mety hampiasana azy ireny.
Mitohy hatrany ny fampirantiana « Lamba forever », atao eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Fampirantiana izay efa nisokatra tamin’ny 8 jolay 2023, ary tsy hifarana raha tsy ny volana novambra 2023. Mpahay kanto, misehatra eo amin’ny tontolon’ny lamba samihafa, no mampiranty ny talenta sy maneho ny fahaiza-manaony ao anatin’izany. Araka ny nambaran’ny mpikararaka, nahaliana ny maro ilay ranty rehefa nandeha teny ny fotoana. Maro ny talanjona rehefa tonga tety, nahita ireo kanto vitan’ny mpahay kanto amin’ny alalan’ ny lamba.
Mpahay kanto 21 isa no miara-misalahy sy maneho ny haikantony avy, ao anatin’ny fampirantiana. Ao anatin’izany ny mpanenona. Mandravaka ity fampirantiana ity koa ny akanjo sy ny kojakoja entina mianjaika. Tao anatin’izay fotoana izay, maro ny olon-tsotra sy fikambanana tonga nitsidika. Anisan’ny tena nahaliana ny mpitsidika ny fahitana haikanto miavaka vita amin’ny lamba. Teo ihany koa ireo zava-bita amin’ny alalan’ ny lamba tonta sy poti-damba.
Ankoatry ny fampirantiana, misy koa ny fifanakalozan-kevitra sy ny firesahana amin’ireo mpahay kanto. Anisan’ izany ny hotanterahina rahampitso, eny an-toerana, iarahana amin’i Ludonie Velotrasina, tomponandraikitry ny fampirantiana sy Jo Aina, mpahay kanto, ary Dr Rasoarifetra Bako, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo. Ny lamba eo amin’ny tantarantsika sy ny maha vakoka ary ny maha fitaovana tena mbola ampiasaintsika azy no horesahina ao anatin’izany.
Lin M.