FANTINA sy FINTINA

Vahaolan’ny Hafari ny Repoblika fahadimy, araka ny nambaran’ny filoha Rafanomezantsoa Jean Nirina, omaly. “Tsy olana na ahemotra aza aloha ny fifidianana ary atsangana ny fitondrana Tetezamita. Tena efa tsy mifanome hasina sy mifanaja ary mifandrahona isika izao”, hoy izy. Manahy korontana sy krizy ny Hafari.

Mankasitraka ny dingana ataon’ny FFKM ny praiminisitra Ntsay Christian, tetsy Anosy, omaly. Zava-dehibe, hoy izy, ny dingana sy ny fomba rehetra afahantsika miditra amin’ny zotram-pifidianana mila­mina. “Tsara avokoa izany ary tsy tokony ho olana ny fihaonambe hotarihin’ny FFKM”. Momba ny “Raha­raha Romy”, any Londres kosa, nanteriny fa miandry ny fitsarana izany ny rehetra.

Anjaran’ny vahoaka amin’ny fifidianana ny milaza na mbola tokony hitondra ny tany sy ny fanjakana ny filohan’ny Repoblika na tsia, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, Ramaholimasy Holder, tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Mampivarahontsana ny sasany ny fahavitan’ny filohan’ny Repoblika fitodrafitrasa maro.

Ny tsy fananan’ny fitondrana olona eo anivon’ny antokony no mahatonga ny trangan-javatra miteraka fahafaham-baraka eto amin’ny firenena tato ho ato, araka ny fijerin’ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin. Azo atao ny maka lesona tsy hisian’izany intsony.

Partager sur: