Hisorohana ny lozam-pifamoivoizana: hanamafy ny fidinana ifotony ny tomponandraikitra

Nanatanteraka fivoriana vonjimaika ireo tomponandraikitra sy mpiara-miombon’antoka misahana ny fifamoivoizana eto Madagasi­kara, omaly. Voalaza nandritra izany ny fepetra tokony ho raisina sy handrindrana ny asa rehetra hisorohana ny loza eny amin’ny lalam-pirenena samihafa. Hanamafy ny fidinana eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy ireo tomponandraikitra voakasik’izany. “Hotsirihana avokoa ny fiara ary hamafisina ny fampanarahan-dalàna”, hoy ny fanazavana voaray. Hisy, manaraka izany, ny fepetra fohy ezaka sy lavitr’ezaka hampiharina amin’ny fitaterana. Fantatra fa anisan’ny mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fitondrantenan’ny mpamily sy ny tsy fanjana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Nampahatsiahivina ta­min’izay fa efa misy ny naoty navaokan’ny minisiteran’ny Fitaterana milaza fa tsy maintsy mpamily roa ny fandehanana amin’ny lalana mihoatra ny 600km.
Fiara

Voalaza fa anisan’ny miteraka ny lozam-pifamoivoizana ny olana ara-teknikan’ny fiara. Voarara ny fanaovana dona miverina, tokony hisy fialan-tsasatra 15 minitra isaky ny efatra ora raha toa ka mihoatra ny 8 ora ny dia. Ankilany, Tsy maintsy tomombana ny fiara rehetra vao afaka mandeha. Tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fitaterana ireo mpandeha ny mpamily. Fan­tatra nandritra izay fa manodidina ny 270 ireo namoy ny ainy tao anatin’ny telo taona farany, vokatry ny lozam-pifamoivoizana.

Nanatontosa : Henintsoa Hani

Partager sur: