Judo-“IBSA World Games” : hifaninana rahampitso i Nampoina, judokas malagasy jamba

Nanainga omaly, nihazo an’i Birmingham, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena “multisports” natokana ho an’ny jamba, Rakotoarivelo Nampoina Daniel. Hiakatra an-tsehatra rahampitso izy.

Tanteraka ny fanirian’i Nampoina. Hiatrika ny “IBSA World Games”, hatao any Birmingham ity judokas malagasy jamba ity. Rahampitso izy no hifaninana, eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 60 kg. Hotontosaina anio ny antsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’i Nam­poina, araka ny fandaharam-potoana. Vonona tanteraka ity judokas malagasy ity ary efa ela no nanomanany izao fifaninanana izao. Fifanina­nana tafiditra ao anatin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2024. Nam­barany, fa tena nanomana mafy izy niaraka tamin’ny Sensei Ranjatoson Antsa, Tale misahana ny Judo ho an’ny jamba, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Ju­do. Teo ihany koa ny kotrana nataony intelo isan-kerinandro eny amin’ny klioba misy azy “La Porte Judo Madagascar” eny Ambohidratrimo, niaraka tamin’ny mpanazatrany, i Brandon Radicalberger. Tsia­hivina, nisedra olana teo amin’ny ho enti-manana hiatrehana ity fifaninanana ity i Nam­poina. Nitady ny hevitra rehetra anefa izy sy ireo mpanazatra azy, ny klioba nisy azy ary ny FMJ, nitady ny vahaolana. Mpa­nohana maro no nanolo-tanana ankoatra ny fandraisana an-tanana nataon’ny Sen­sei Ran­jatoson Antsa sy ny klioba La Porte, ka lasa soa aman-tsara i Nampoina. Bran­don Radical­berger, mpiandraikitra ny klioba La Porte no niaraka amin-dRakotoarivelo Nam­poina Da­niel, hiatrika ity lalao iraisam-pirenena any Bir­mingham ity. Sady miandraikitra ny fanazarana azy any an-toerana i Brandon. Namba­ran’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo fa afa-po tamin’ny lalana nizoran’i Nampoina ny federasiona. Manana fikirizana izy, hoy ny filohan’ny FMJ ka mendrika ho tohanana. Izany indrindra no tsy nampisalasala azy ireo hanolo-tanana.

Mi.Raz

Partager sur: