Fotoana hampiakatra avo ny toekarena malagasy sy ny fizahantany eto an-toerana ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana hatao eto Madagasikara. Manana ny paikady hanatanterahana izany ny tomponandraikitra samihafa.
Hetsika goavana sady anisan’ny handrasan’ny mpiantsehatra isan-karazany ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI), andiany faha-11, izay hatao eto Madagasikara afaka andro vitsy. Goavana ny fanomanana isan-karazany. Fotoana hisarihana mpizahatany ny fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy. Araka izany, manana ny paikady hanatanterahana izany ny minisiteran’ny fizahantany. Hisy ny tranoheva lehibe “village touristique”, hatao eny Andohatapenaka manomboka amin’ ity herinandro ity. Ho hita eny an-toerana avokoa ireo vokatra malagasy sy mampiavaka ny Malagasy. Hisy ihany koa ny fampahafantarana an’i Madagasikara sy ny toerana tsara tsidihina ary ireo hetsika azo atao mandritra ny fialantsasatra eto an-toerana. Maro ireo tolotra fitsangatsanganana iraisana hahafahana mitsidika amin’ireo toerana manodidina ny Renivohitra sy ny faritra Analamanga.
Fotodrafitrasa
Miisa 81 ny trano fandraisam-bahiny afaka hampiantrano an’ireo atleta maherin’ny 4 000 sy ny delegasiona miaraka aminy, araka ny loharanom-baovao iray. Ankehitriny, efa vonona avokoa ny fotodrafitrasa rehetra sy ny trano fandraisam-bahiny handray izany. Fotoana hampidi-bola sy hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany ity lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11, ity. Hetsika mifanandrify amin’ny fotoam-pialantsatsatra ny JIOI no sady fotoana fahatongavan’ny mpizahatany ihany koa. Tsiahivina fa hanomboka ny zoma 25 aogositra ary hifarana ny 3 septambra izao ny lalaon’ny Nosy.