Miavaka raha samy tarika! Mpanakanto samy manana ny karazana mozika iangaliany, ary samy kalaza amin’izany, no mandrafitra ny Sivy Mahasaky. Hevitra nipoitra avy tamin’i Tsilavina Ralaindimby io tany am-piandohana. Hevitra hafahafa, kanefa nanokatra ny fijerin’ny maro ny mozika malagasy: mpanakanto mpivoy ny hira vokatry ny tany, miaraka amin’ny mpiangaly rock, ny mpitendry valiha, ny mpitendry vata maroafitsoka, sns. Rehefa nitambatra ny talenta, nanome mozika maroloko misy fototra malagasy, ary voarain’ny mpankafy izany.
Mbola misy ary manohy hatrany ny Sivy Mahasaky, na teo aza ny fahalasanan’ireo mpikambana sasany. Hisy indrindra ny seho hanomezam-boninahitra an’i Tsilavina Ralaindimby izay ray niteraka ny tarika, Danaivo ary Donné Sahondrafinina. Hotontosaina ny zoma 8 septambra izao io, manomboka amin’ny 7 ora sy 9 minitra, etsy amin’ny Plaza Ampefiloha.
Nanome fofony amin’ny mety ho endriky ny fampisehoana izy 9 mirahalahy mandrafitra ny tarika amin’izao fotoana. “Ilay taniko”, hiran’ny tarika Iraimbilanja no nohaingoan-dry Bera Glita Zamba sy lanto ary Solofo, sns amin’ny fanaovany azy. Teo koa ny “Zanahary o, tahio ny tanindrazanay”, sns. Manana hira maro amin’ny endriny samihafa ry Sivy Mahasaky, ary vonona hatrany hizara sy hampahafantatra ny filozofia nijoroan’izy ireo hatrany am-panombohana.
Zo ny Aina