Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy tamina toeram-pandihizana iray eto an-drenivohitra, ny sabotsy alina teo, ny teratany renioney iray 42 taona. Voarohirohy tamina raharaha fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’ireo toeram-pandihizana no nahatrarana ity mpizahatany Renioney ity niaraka tamin’ny cocaïne milanja 4 grama sy fitaovam-pandanjana elektronika fampiasa amin’izany. Niainga avy amina loharanom-baovao nivoaka tao amin’ity trano fandihizana ity no nahafahana nisambotra ity teratany Renioney ity. Nentina nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany izy. Nandritra ny famotorana azy no nahafantarana fa avy atsy amin’ny Nosy La Réunion izy no tonga manao fizahantany eto Madagasikara. Tsy manana fonenana mazava anefa izy fa miovaova. Mampahatsiahy hatrany ny polisy fa voarara ary enjehin’ny lalàna ny fitazomana sy/na fivarotana na fidorohana zava-mahadomelina. Ny Stup dia miara-miasa amin’ny rehetra hatrany hahafahana miady sy mamongotra tanteraka izany. Sahia mitoroka raha misy tranga mampiahiahy hita eny amin’ny fiarahamonina. Hatreto aloha tsy mbola fantatra izay mpamatsy ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireto ity vahiny ity.
J.C