Kabary sy kilalao malagasy. Mitohy hatrany ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy, maimaim-poana, karakarain’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana Manda Mpikabary. Ahitana izany avokoa ny boriborintany enina ary ny ankizy latsaky ny 15 taona no misitraka izany.
Tantara an-tsehatra. Any Ambatomirahavavy indray ny ekipan’ny Iray Fy’Art, ny 9 septambra izao. Rakoto, Faly, Synèse, Niravo, Antsaravaka ary Bruno no hiaka-tsehatra eo amin’ny Kianjan’ny CEG Ambatomirahavavy. Nasaina manokana ny Groupe Mi-Antsa sy ny Groupe Ir’Art.
“Hita tsy notadiavina”. Fampiaraham-peo nalaza tamin’iny faran’ny herinandro iny izy ity, niarahan’i Erick Manana sy i Voara. Vetivety dia nalaza satria mora raisina ny tonony izay nosoratan’i Volatiana Rahaga, nasian’i Erick Manana feony. Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia tafakatra an’arivony ny fizarana sy ny fihainoana an’ilay rakitsary.
Tolotra vaovao ho an’ny fanjifana mozika ny “Moozik”. Ho avy any Antsirabe ny “Moozik” ny 23 hatramin’ny 25 aogositra izao, ao amin’ny Alliance Française. Hihaona sy hampahafantatra an’ireo mpanakanto ny tolotra mahakasika ny fitantanana ny sanganasany ary hiezaka handresy lahatra azy ireo mba hiroso amin’ny fampiasana ny teknolojia, ny tomponandraikitra.