Vita ny lalana « rocade extérieure » ao amin’ny kaominina Betsinjaka Toliara sy ny lalana rarivato antsoina hoe Andakoro, ao an-tampon-tanànan’i Toliara ; nohavaozina ho lasa hanana fanamarinana iraisam-pirenena koa ny seranam-piaramanidina. Hampitombo ny mpizahatany ireo, nilaza ny filoha Rajoelina ny hitandroan’ny mponina ny fahadiovana.
Misy tetibola manokana ampiasain’ny Madagascar National Parks (MNP), entina hiatrehana ny vonjitaitra manoloana ny doro ala sy tanety. Voakasik’izany ny faritra arovana miisa 17 tantaniny manerana an’i Madagasikara. Ilaina ny hisian’ny hoenti-manana toy izao, satria efa hiditra ny vanim-potoan’ny maintany. Natao sonia ny 17 aogositra teo ny fifanarahana mikasika izany.
Lehilahy iray no tratra nitondra sokatra miisa 10 tany Tsihombe, faritra Androy, ny 10 aogositra teo. Taorian’ny fikarohana, nisy olona roa hafa, namany, nosamborina. Tanteraka izao vokatry ny fiaraha-miasan’ny lehiben’ny ala any amin’ny distrika Tsihombe sy ny fitantanam-paritra Dredd Tsihombe, faritra Androy, ary ny mpitandro filaminana.