Hita avy hatrany ny tombontsoa entin’ny fahavitan’ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9) ho godirao. Mihena ny faharetan’ny fotoana hanaovana ny lalana, sady nidina koa ny saran-dalan’ny taksiborosy. Ho an’ny fifamoivoizana Toliara mankany Bevoay, nilaza Razafindramosa Germain, mponina any amin’ny kaominina Ankatsakatsa, akaikin’i Bevoay, fa nihena adiny 3 ny faharetan’ny dia, raha adiny 10 tamin’ny mbola lalan-tany. Nidina ho 13 000 Ar hatramin’ny 20 000 Ar ny saran-dalana, raha toa ka 30 000 Ar hatramin’ny 35 000 Ar fony mbola lalan-tany. Izany hoe, nisy fihenany 62%.
Ho an’ny lalana Toliara mankany Manja, naharitra ora 18 hatramin’ny 19 ny faharetan’ny dia tamin’ny mbola lalan-tany, ary nihena ho adiny 5 sisa. Nidina ho 40 000 Ar ny saran-dalana raha toa ka nahatratra 60 000 Ar fony mbola lalan-tany.
Manafaingana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ny hatsaran’ny lalana. Nilaza ihany koa Razafindramosa Germain fa toerana mamokatra ny any Bevoay. Anisan’ny toerana tena mamboly vary any an-toerana, ary tsy lafo ny sakafo. Misy koa ny toerana mamboly tongolo, katsaka, voanjo, sns, manamorona ny lalam-pirenena fahasivy.
Njaka A.