Hanainga ato ho ato ireo Malagasy mpianatra 27 mianadahy handranto fianarana any Chine. Nisafidy lalam-piofanana maro izy ireo. Hiverina an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana.
Nampahafantarina omaly, teny Ivato, ireo tanora 27 mianadahy hanohy fianarana any amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Hanainga ato ho ato izy ireo ary hiparitaka amin’ireo oniversite 23 fanta-daza any an-toerana. Misy ireo vao afa-panadinana bakalorea, ny sasany manana ny diplaoma “Licence” sy “Maitrise”.
Marolafy ny lalam-piofanana nosafidin’ireo mpianatra. Anisan’ny mahaliana ny tanora ny fianarana ny fitsaboana sinoa. Misy ny miofana momba ny fambolena sy fiompiana moderina, ny fifandraisana iraisam-pirenena, sy ny fandalinana ireo karazana teknolojia, ary fianarana teny sinoa…
“Manampy an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro ny firenena sinoa, indrindra amin’ny sehatry ny fampianarana, toy ny fanokafana ivon-toerana fianarana teny sinoa (Conficius)”, hoy ny fanazavan-dRanaivoarisoa, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra tranainy avy any Chine.
Hatramin’ny taona 2007 no nanome vatsim-pianarana ny sinoa. Nihato nandritra ny fotoan’ny valanaretina covid19. Miverina amin’ny laoniny, ankehitriny.
Tompon’ny teknolojia sy ny toekarena ny sinoa ary manan-karena lalam-piofanana izay hanolorany vatsim-pianarana ho an’ny tanora. Misy ny sampam-pianarana rehetra any amin’ireo oniversite any Chine.
Ankoatra ny fianarana, fotoana fifanakalozana traikefa sy kolontsaina ny fotoana ianaran’ireo tanora any. Hanatsara ny fampandrosoana an’i Madagasikara izy ireo rehefa mahavita ny fianarany.
Tatiana A