Fampahatsiahivana tantara : 360 ireo olo-malaza mitondra anaran-dalana eto Antananarivo

Mahatratra 360 ireo anaran-dalana manerana an’ Antananarivo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny Vakoka sy ny fizahantany eo anivon’ny kaominina Antananari­vo Renivohitra. 5% ireo toerana tsy mbola misy anaran-dalana ankehitriny, raha ho an’Antanana­rivo manokana.

“Nosafidina afaka mi­tondra anaran-dalana ireo olo-malaza, efa maty, nahavita zava-dehibe teto Antananarivo sy teto amin’ny Nosy”, hoy ny tomponandraikitry ny sampandraharahan’ny Vakoka sy ny fizahantany, Rakotovelo Bruce. Afaka mahazo izany ihany koa ireo ben’ny Tanàna efa maty, nitondra ny kaominina. Midika ho fanomezam-boninahitra azy sy ny fianakaviany iray manontolo ny fametrahana izany sy ny fitondrany ny anarana amin’ny lalana iray. Mitahiry sy mampaha­tsiahy
ny tantara niainany sy ny la­lana nodiaviny ho an’ny taranaka faramandimby koa izany. Nanomboka nisy teto Madagasikara ny anaran-dalana, tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Anaran’ny lehiben’ireo vahiny ireo ny ankamaroan’izy ireny (lalana Jean Jaurès etsy Ambato­mena, lalana Benyowski etsy Soarano…). Nisy nanao zavatra lehibe teto amin’ny firenena izy ireny na dia vahiny aza. Mbola ahitana izany manerana ny renivohi-paritany maro eto amin’ny Nosy, ankehitriny. Ao anatin’ny tetikasan’ny ben’ny Tanàna ny hanolo azy ireny ho anarana malagasy, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Fanavaozana sy fanovana takelaka

Nahatonga resabe matetika ny anaran-dalana napetraky ny mpanjanaka. Manondro ireo toetra, zava-misy na zavatra tsy dia misy dikany loatra amin’ny tanàna iray in­tsony izany ankehitriny ka antony nahatonga ny olona sasany hanolo izany, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Misy ny vesatry ny fahatsiarovana izay mbola tazonin’ireo taranaka sasany. Nohavao­zina ny 8 aogositra lasa teo ny takelaka misy ny anaran-dalana Arsène Ramahazomanana etsy Antsakaviro sy Andria­naivoravelona Josefa etsy Ampasanisadoda, eto An­tananarivo. Niavaka tamin’ny fanoloran-tenany ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasi­kara i Arsène Ramahazo­manana. Olona nanana talenta maro kosa Andrianaivo­ravelona Josefa. Poeta, mpamoron-kira, mpitandrina ary mpitondra fivavahana ho an’ny Mpanjakavavy Rana­valona III izy.
Ankoatra izay, nahitam-panovana ny anaran-dalana sasany, mitondra ny anarana vahiny any amin’ny renivohi-paritany ivelan’Antananarivo. Anisan’izany ny any amin’ny tanànan’Antsiranana (Boule­vards Bazeilles, Sylvain Roux, Surcouf..). Nangataka ny hanoloana ny anaran-dalana ny zanak’i Mahamodo Mohajy, filohan’ny komity mpanatanteraky ny fivondronam-pokontany Antsiranana I. Tamin’ny taona 1983 hatramin’ny 1985. Novaina ho Boulevard Ma­hamodo Mohajy ny Boulevard Bazeilles any Antsiranana tamin’ny 2015. Lasa Avenue Dr Sylvain ny Avenue Sur­couf. Anaran’ny iray amin’ireo mpitsabo ny aretim-behivavy sy mpitsabo zaza voalohany tao an-tanànan’i Diego Suarez izany.
Manao fangatahana ireo te hanova na te hanala ny anarana amin’ny takelaka. Alefa any amin’ny sampandraharaha misahana ny Vakoka sy ny fizahantany eo anivon’ny kaominina ny antontan-taratasy sy ny tantaran’ilay olona mitondra ny anaran-dalana.

Tantara fohy (maritiora nitolona)

Napetraka hitondra ny anaran-dalana etsy Antanimena Rakotondrabe Samuel. Lehiben’ny fikambanana miafina Jina izy. Teraka tao Soavina, Imerinkanjaka, ny 5 novambra 1901. Maty notifirina ny 19 jolay 1948 teo Andrainarivo, teo amin’ny faha-46 taonany. Zanaka lahitokan’ny pasitera Rainikotondrabeza, taranak’Andriankomalaza sy Ratalaotra, izay namorona ny vohitra Ivoara. Izay, anisan’ny namorona ny tanànan’i Fiadanana, Soavina ary Imerinkanjaka (5 km avy eo Ambohimanambola). Voataiza tamin’ny soatoavina ambony sy ny hasin’ny tanindrazana izy. Tovolahy matsilo saina. Nahavita ny fiainarany tao AmbohijatovoAvaratra ary nahazo ny “Certificat d’aptitude à l’enseignement» (CAE). Nanangana ny ozinina telo : fanaovana paraky roa (natao hoe Beteravola) tetsy Antanimena, Antananarivo ary tany Fianarantsoa. Fanamainana hoditra sy fanodinana izany ho kiraro sy poketra. Nipoaka ny 29 marsa 1947 ary voasambotra izy. Nolakoina tamin’ny vodibasy vantany vao azo, nendahina ny hohony… Notanana an-tranomaizina izy ary mbola notohizana ny fampijaliana isan-karazany. Notsaraina izy ary voaheloka ho faty noho ny andraikiny tao amin’ny Jina sy ny fijoroany hiaro ny tanindrazana. Maty notifirina izy ny 19 jolay 1948.

Nanatontosa : Mino
(sary nomena)

Partager sur: