INDRAY MIJERY

Hanao volon’andro ririnina ny andro anio sy rahampitso, hahatsapa hatsiaka, araka izany, ny amin’ny faritry ny afovoantany, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Mandrahona ny ilany atsinanan’ny afovoantany anio ary 22°C -24°C ny maripana ambony indrindra amin’io faritra voalaza io.

66,04 % ny taham-pahafahana bakalorea ho an’ny faritanin’i Toliara. Tamin’ireo 26 697 nisoratra anarana, 17 631 no nahazo ny mari-pahaizana bakalorea ho an’ny sokajy roa. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, 65,62 % ny taham-pahafahana raha 88,82% kosa ho an’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa.

Nitsidika ara-pomba fanajana ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, ny solontenan’ny UNFPA vaovao, miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou. Tanjona ny hivelaran’ny fiara-miasa manodidina ny fampivoarana ny vehivavy sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny ady amin’ny herisetra.

Maro amin’ireo tanora no misafidy ny hitsahatra kely aorian’ny bakalorea. Mijery tsara izay lalam-piofanana tena hanorenana ny ho avy. Manao asa an-tselika madinidinika koa hanangonam-bola hiatrehana ny fidirana amin’ny fianarana ambony. Ny tanora sasany kosa voatery mijanona sy mitady asa noho ny fahasahiranan’ ny ray aman-dreny.

Partager sur: