Fantatra, omaly, nandritra ny lanonana fandraisana ireo delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Casablanca, tetsy Ivato, fa hanana mpitsara 3 i Madagasikara, amin’ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny karate. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, fa zava-dehibe no nandehanana tany Casablanca Maraoka, taorian’ny sazy napetraky ny federasiona iraisam-pirenena. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ihany koa ny fiofanana nataon’ireo Malagasy mpitsara roa vavy, Raboanarijaona Voahirana sy Andriamihantandriana Maya Katharina. Samy afaka tamin’ny fanadinana natrehan’izy ireo(catégorie B ) avokoa izy roa vavy ka hitsara amin’ny lalaon’ny Nosy, hanampy ny Sensei Rajaonarison Christian. Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitsara, ho avy eto, amin’ny 28 aogositra, ny komity misahana ny fitsarana lalao iraisam-pirenena hanofana sy hampianatra ny mahakasika ny fitsipika rehetra ampiasaina mandritra ny lalao. Ankoatra izay, niatrika fanadinana ho an’ny “coach” tany Maraoka ihany koa Ramananitrandrasana Rindra, ka afaka soa aman-tsara. Mahakasika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika kosa, nahazo medaly alimo iray i Madagasikara teo amin’ny Kata, izay azon’i Ayrton, teo amin’ny sokajy cadet. Tonga teny an-toerana nanome voninahitra ity lanonana ity ny minisitra Andriamanohisoa Gerard, izay mpiahy ny taranja karaté, nanehoany ny hafaliana tamin’izao vokatra izao. Nanamafy ny minisitra fa efa milamina ny atleta hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Tsy nanadino nisaotra ny mpitantana ny federasiona teo aloha izy ary maniry fifanomezan-tanana, hahazoana fahombiazana. Nambarany fa vonona ny atleta malagasy ary afaka hiady ireo medaly 16.
Mi.Raz