« Haka ny medaly volamena no tanjon’ i Maurice» hoy nympanazatra Rasoanaivo Fidy. Malagasy mpanazatran’ny Club M, ekipam-pirenena maorisianina.
Nigadona tetsy Ivato, tamin’ny 3 ora sy 15 mn ny ekipam-pirenena maorisianina, taranja baolina kitra, na ny Club M. “Mitovy amin’ny rehetra ny tanjoko dia ny hahazoan’i Maurice ny medaly volamena, amin’ity lalaon’ ny Nosy 2023, izay hatao eto Madagasikara, ny 25 aogositra – 3 septambra ity. Mbola Malagasy 100 % anefa ny tenako ka aza ariana.”, hoy Rasoanaivo Fidy, mpanazatra, nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny am-pahatongavana. Nilaza izy fa ny fahatanoran’ny mpilalao no tombony ho an’i Maurice, raha mitaha amin’i Madagasikara sy i Seychelles, miray vondrona “A”. Araka ny filazany, ny traikefa no atahorany amin’ireo mpilalaony.
Marihina fa nanao fanomanana tany Afrika Atsimo, i Maurice mialohan’ity lalaon’ny Nosy ity. Araka ny fanazavana nomen’ity mpanazatran’i Maurice ity, nahazo fandresena tokana sy faharesena roa tamin’ireo lalao telo nataony ry zareo Club M. Tsiahivina fa ny 26 aogositra ho avy izao ny Club M, hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina.
Tsy ho mora ny lalao
Ankoatra izay, nitondra ny heviny mahakasika ny fahatongavany indray eto an-tanindrazana Rasolofonirina Francis, Malagasy vodilaharan’i Maurice. “Ho sarotra ny lalao hihaonanay amin’ny Barea de Madagascar, saingy efa niomana tamin’izany izahay.” Araka ny filazany ihany. Tsara ny mampahafantatra fa i Francis dia Malagasy mizaka ny zom-pirenena maorisianina. Izy rahateo no kapitenin’ny Club M.
Amin’ny sehatra matihanina toy izao, milaza ny Coach Fidy, fa tsy miresaka momba ny Barea mihitsy izy sy ny rahalahiny Rasoanaivo Rado, tale teknika nasionalin’ny baolina kitra eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMF).
Fitia