Toerana be mpizahatany mitsidika ny Nosy Sainte-Marie sady manana ny lanjany amin’ny tontolo mananaina. Malaza ny fandalovan’ny trozona (baleine à bosse) an’ arivony isan-taona, manomboka ny volana jona hatramin’ny septambra, avy any amin’ny ranomasimbe Antarktika. Mamonjy ny ranomasina mafana, ahafahan’izy ireo hifampitomboana taranaka.
Misy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Suzuki Marine, amin’ny alalan’ny orinasa Matechmad, sy ny orinasa mpanjono any Sainte-Marie (SPSM). Natao sonia ny sabotsy 19 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta.
Hotohanana ny fananganana toerana manokana sy fiofanana fikojakojana sambo ho an’ny mpanjono madinika. Hisy koa ny fanomezana motera roa (2 temps sy 4 temps), matanjaka nefa tsy mandany solika ary tsy mitabataba.
Nilaza ny tale teknikan’ny orinasa Matechmad, Philippe Lormeteau, fa «hanatsara ny fiharian’ny mpanjono madinika ity fiaraha-miasa ity». Ho an’ny talen’ny fanangonam-bokatra ao amin’ny SPSM, Tom Vely, «manan-danja amin’ny lafiny toekarena any Sainte-Marie ny jono. Azo antoka fa hahomby ny fanohanana ny mpanjono madinika amin’izao fiaraha-miasa izao». Mbola hisy ny fiaraha-miasa hafa amin’ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina hampiroboroboana ny toekarena manga.
Njaka A.
Mivarotra ny marika Volvo Eicher, ny Suzuki (motos, quads, motera sambo hors-bord) ny Matechmad.
Manangona sy mikirakira ary manondrana any ivelany hazandranomasina ny SPSM.