Mpanakanto 43 taona nitendrena valiha. 40 taona niakarana sehatra. 30 taona niatrehana ny sehatra iraisam-pirenena. Hita taratra ao anatin’ny rakikira « Fito – Seven » avokoa ireo traikefa ireo.
Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ! Nampahafantarin-dRajery, omaly, tao amin’ny Carlton Anosy, ny fivoahan’ny rakikira vaovao « Fito – Seven ». Hira 9 no voarakitra ao anatiny. Mozika miaina avy eto Madagasikara izy ireo. Fantatra fa efa tao anatin’ny enin-taona no nanomanana ity rakitsary ity. Voka-pikarohana nandritra ny taona maro. Efa nentina nitety firenena sy toerana maro tany ivelany. Natao tahaka izany koa ny teto an-toerana. Raha ny fanazavan-dRajery momba ny nanomezana ny lohateny « Fito – Seven » : « rehefa atambatra ny 2023, manome fito. Ny isa fito rahateo masina teo amin’ny Malagasy. Laharana faha-7 ho an’ny rakikira navoakan-dRajery rahateo izy ity ».
Hira ao anatin’ny « Fito – Seven » : “Alamino” – “Omby” – “Machine” – “Amorom-patana” – “Doum Tarara” – “Tsapiky” – “Soatoavina” – “Anatra roa” – “Tsiky”.
« Efa-taona nandresy lahatra ny vahiny »
Tao anatin’ny 30 taona, nahatontosa fitetezana firenena marobe Rajery. Nihaona tamina mpikirakira ny kanto, tahaka ny mpamokatra seho, mpitendry zavamaneno, sns. Ireny olona rehetra ireny anefa, nanasokajy ny sanganasany ao anatin’ny « musique du monde » avokoa. « Tao anatin’ny efa-taona no nanazavako sy nandreseko lahatra azy ireny fa « mozika miaina » no ataoko fa tsy io lazainareo io », hoy Rajery.
Efatra ny hamaritana io mozika miaina io raha ny fanazavan-dRajery hatrany. Mozika nentim-paharazana no fototra. Nahitana fivoarana izy io ka nampiasana ny zavamaneno tandrefana tahaka ny gitara sy ny amponga maroanaka, sns. Nandray ny mozika avy any amin’ny faritra ihany koa izy ka nataony tamin’ny fombany. Voatazona hatrany anefa ny fototra. Fisokafan’ ilay mozika nentim-pahazarana amina sehatra lehibe.
HaRy Razafindrakoto