Mpamono vady : vazaha 80 taona, nosamborin’ny polisy

Nosamborin’ny polisy noho ny fampijaliana vady ny vazaha antitra, efa 80 taona. Tsy vitan’ny mamono an-dramatoa fa mbola mamotika ny entana rehetra ao an-trano.

Hatolotra ny fampanoavana anio ilay vahiny 80 taona voarohirohy ho nanao herisetra tamim-badiny. Voasambotry ny polisy tao Toamasina omaly ma­raina tamin’ny 9 ora izy noho ny fanimbana fananana sy herisetra nataony tamim-badiny tao an-tokantrano. Naharay antso avy amina vehivavy iray ny polisy fa hoe novonoim-badiny ao an-tranony izy. Fo­toana fohy taorian’izay, tonga tao Dépot 4, Analankininina, toerana hipetrahan’izy mivady ny polisy. Voamarina tokoa ny fisian’ny herisetra sy fampijaliana nataon’ity vazaha ity tamim-badiny. Araka ny hita tao an-toerana, efa tapitra nosimbain’ity vahiny ity avokoa ireo entana rehetra tao an-tranon’izy ireo. Tsy vitan’izay fa nodarohany koa ny vadiny.

Fanaony matetika…

Nentin’ny polisy namonjy ny birao avy hatrany izy anaovana famotorana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy fa efa fanaon’ity vazaha ity ny manao herisetra sy ma­nakorontana toy izao. Niaritra ihany ramatoa vadiny saingy efa tafahoatra ny tokony ho izy ny zava-misy ka tsy tantiny intsony izany. Vokany nametraka fitoriana teny amin’ny polisy izy ka niafara tamin’ny fisamborana ity teratany vahiny ity. Voalazan’ireo olona mahafantatra ny fiainan’izy mivady fa nisy fotoana efa nikasa hisaraka izy mivady saingy tsy nanaiky izany ilay vazaha. Nitohy hatrany anefa ny toetra ratsiny. Niaiky ny heloka vitany izy tamin’ny famotorana nataon’ny polisy azy.

J.C

Partager sur: