MSK-OIF : mihamafy ny fiaraha-miasa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy,omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT Andavamamba), ny hetsika fampirantiana “La Francophonie dans la diplomatie et à travers les contenus Culturels Malagasy”. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) sy ny « Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) » ary ny AFT Andavamamba no nahatanterahan’izao hetsika izao. Tanjona ny hanehoana ny fiaraha-miasa sy ny fampiroboroboana ny eo amin’ny lafiny kolontsaina sy zavakanto eto Madagasikara.
Mandritra ity hetsika atao eny amin’ny AFT Andavamam­ba ity. Rantin-tsary maneho ny fiaraha-miasa sy ny fihaonana teo amin’ny tomponandraiki-panjakana malagasy sy ny an’ny OIF no haseho eny an-toerana. Ity hetsika ity izay tsy hifarana raha tsy amin’ny 25 aogositra 2023.
Nanomboka ny taona 2019 no nampitombo ny fiara-miasa teo amin’ny MSK sy ny OIF. Niray vina ny amin’ny fampiroboroboana ny lafiny kolontsaina sy haikanto ny roa tonta tamin’izany. Maro ireo tetikasan’ny MSK no notohanan’ny OIF ka efa misehatra ao anatin’ny kolontsaina sy zavakanto amin’izao fotoana izao.

Lin M.

Partager sur: