Toa lelon-jaza

 

Andro vitsy dia hanomboka ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy. Efa misy tonga eto Madaga­sikara ny vahiny mpilalao. Mihazakazaka manaraka izay ny fanamboarana ny fotodrafitrasa isan-karazany. Misy mahavita majia mihitsy amin’ny fanenjehana tetiandro. Mahafinaritra ny fiaraha-mientana satria miaro ny voninahi-pirenena. Tsy afa-miala amin’ny fiarahamonina iraisam-pirenena rahateo i Madagasikara amin’ny maha nosy azy.
Anisan’ny ahitana taratra izay fifamatorana amin’ny vahiny izay ny tontolon’ny politika sy ny raharaham-pirenena ankapobeny. Tsy mahagaga, mbola ho avy hanao angaredona eto Madagasikara indray ry vazaha afrikanina, amin’ny herinandro ambony. Hitsirika sa hidinika amin’ny mpikarakara fifidianana sy ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena izy ireo ? Miankina amin’izay ny ho tohin’ny raharaha.
Ny zava-misy eto amin’ny Tany sy ny firenena, mbola manjavozavobe ihany. Mahafanina ny kajikajy politikan’ny sokajin-kery samihafa. Raha samy nanaiky fifidianana avokoa ny olon-drehetra, miverina tampoka indray ilay volavolan-kevitra ho amin’ny « Tetezamiitatra ». Ny mpanohitra izany no zary mpampirisika ity fiverenan-dalana ity.  Ireo nanda no nivadika ho tsy mankasitraka indray.
Heverin’ny sasany ho mivoaka miditra tahaka ny lelon-jaza ny fiainam-pirenena. Misy mihevitra fa kivarivary ilay izy ka izay mahametimety azy no hatao. Mahasadaikatra ny miresaka ny toetran’ireo noheverina ho fitaratra, zary mpitari-bato vilam-bava. Mitady hanao bodongerona sy mihevitra ho ambonin’ny lalàna. Samy mitetika ho loha mpitarika ilay repoblika anefa izy ireo.
Fehiny, tsy misy zotra mazava ny lalan-kodiavin’i Madagasikara hatramin’izao. Ilay valalabemandry rahateo tsy mety mahatsapa tena, tokony mba efa hifoha !

r.r

Partager sur: