VAOVAO TAMBATRA

Tsikaritra fa niverina tsikelikely indray ny fahatapahan-jiro misesy na delestazy eto an-drenivohitra. Manodidina ny adiny roa ny faharetany tamin’ny herinandro ambony, ary lasa adiny telo, nanomboka ny sabotsy teo. Manomboka amin’ny 10 ora alina ny fahatapahana hatramin’ny 12 ora alina, ary niitatra hatramin’ny 1 ora maraina aza izany.

Ratsy ny lalana eo Brickaville mankany Manambato. Mitaraina ny mpiala sasatra, fa hatao ao anatin’ny 45 minitra ny lalana mirefy 7 km. Efa namboarin’ny faritra Atsinanana ity lalana ity ny septambra 2022, nitohy hatrany Ambila Lemaitso, saingy potika sahady. Milaza ny mponina fa misy ireo mahazo tombontsoa manokana amin’ny haratsin’ity lalana ity.

Nizara bokin-tany maro tao Toliara ny filoham-pirenena nandritra ny diany tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tonga nanotrona azy tamin’izay ny praiminisitra sy ny delegasiona maro. Tsiahivina fa mahatratra 2 000 000 ireo kara-tany hozaraina manerana ny Nosy hatramin’ny faran’ny taona. Maro ny faritra sy distrika efa nisitraka izany.

Nanao Sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny ONG WCS. Ahafahana mifanakalo sy manangona antontanisa miainga avy eny ifotony ka hanampy amin’ny sehatrasa marolafy izao fiaraha-miasa izao. Tanjona ny ahafantarana ireo asam-pikarohana mifantoka amin’ny fitantanana maharitra ny rohivoahary an-dranomasina.

Partager sur: