Ratsy ny vokatra ho an’i Sidonie Fiadanantsoa, nandritra ny andiany faha-19 hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja fototra atletisma. Fifaninanana, tanterahina any Nemzeti Atletikai Kozpont, Budapest Hongrie. Nihintsana teo amin’ny fifanintsanana izy, teo amin’ny halavirana 100 m misy fefy, natao ny talata lasa teo. Laharana faha-7 no nisy azy, ary 13 s 18% ny nahavitany izany.
Tsy ampy hiakarany amin’ny manasa-dalana, io fe-potoany io. Miatrika izany dingana izany, ireo efatra voalohany isaky ny “série”. Tsy vitany ny nitazona ny 13 s 01 % tontosany tany amin’ny lalaon’ny Tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay, natao tany Kinshasa, RD Congo, izay nandrombahany ny medaly volamena.
Tsy mitsahatra eo akory ny fifaninanana ho an’i Sidonie fa hitodi-doha eto an-tanindrazana izy hamonjy ny lalaon’ny Nosy, hotanterahina manomboka rahampitso zoma. Tsiahivina fa anisan’ireo tafiditra ao anatin’ny lisitry ny ekipam-pirenena ny tenany.
Tompondaka