Hianoka hetsika goavana ny fianakaviamben’ny mpandihy, afaka andro vitsy. Fifampizarana fahaiza-manao sy traikefa, seho goavana sy fampianarana. Ireo no handrafitra ny 3 herinandron’ny hetsika.
Tontosa omaly, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny « Festival Temps Fort Danse 2023”. Eny amin’ny IFM Analakely, manomboka ny 29 aogositra 2023 hatramin’ny 16 septambra 2023 no hanatontosana ny hetsika. Dihy ankehitriny sy ny Hip hop no tena hahazo laka mandritra izany. Vondrona mpandihy maro samihafa no hanafana ity hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny dihy ity. Ankoatran’ny fampisehoana, hisy ihany koa ny atrikasa sy velakevitra iresahana ny tontolon’ny dihy.
Ho hita eny an-toerana koa ireo vondrona mpandihy anisan’ny sangany eto Madagasikara. Ankoatra azy ireo, hanafana ny “Festival Temps Fort Danse 2023” ihany koa ny Compagnie Yvann Alexandre, avy any Frantsa. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra izany. Misy ny fampisehoana iakaran’ireo vondrona mpandihy matihanina ary misy ny natokana ho an’ireo vao misandratra, ao anatin’ny tetikasa “Dihy”.
Maro samihafa ny tanjon’ny mpikarakara, anisan’izany ny fanohanana ireo vondrona Malagasy sy vahiny, mpandihy matihanina. Ho an’ny atrikasa kosa, ny fifampizarana eo amin’ny mpandihy matihanina sy vao misandratra no tena tanjona ao anatin’izany. Ny fivoaran’ny dihy, ny fiantraikan’ny dihy ara-kolontsaina sy ara-tsosialy ary lohahevitra samihafa no horesahina ao anatin’ny velakevitra.
Lin M.