Ho fanohizana ny asa andavanandro. Nanatanteraka fanadiovana faobe ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao amin’ny boriborintany fahadimy, omaly. Nodiovina ny sisin-dalana sy ny manodidina ny tobim-pako, nalana ireo fasika, ny lobolobo,…. Toy ny eny Tsarasaotra hatreny Ankorondrano, rond-point Sodiama mihazo ny Marais Masay ary Nanisana hatrany Ambohimangakely, rond-point Nanisana hatreny Mausolé. Nanao ny fanadiovana ny RF2 anatin’ ny Fokontany 27. Nahitana olona 104 sy ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany fahadimy. Tanjona ny hanadiovana ny tanàna sy hampahafantarana ary hanomezana toromarika ireo RF2 mikasika ny ora fanariam-pako. Izay manomboka amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina. Ankoatra izay, hampianatra ny mponina eny anivon’ny Fokontany mba hanaja io fotoana io. “Ezahina isaky ny roa volana ny fanadiovana hiarahana amin’ny RF2 tahaka izao”, hoy ny delegen’ny boriborintany fahadimy, Ranoelijaona Tantely Hariliva.
Mino