Nifanome fotoana tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ireo atleta avy amin’ny taranja 17, mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Fotoana nitsofan’ny filohan’ny Repoblika rano azy ireo sy nanomezana ny fitaovana rehetra ilaina.
Hanomboka anio, ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. Nahazo tsodrano avy amin’ny filoha Rajoelina Andry, ireo atleta malagasy 1490 mianadahy, hiaro ny voninahi-pirenena. Ankoatra ny tsodrano, nahazo fitaovana avokoa ny isaky ny taranja rehetra. Fitaovana rehetra ilaina mihitsy no natolotra, toy ny bisikileta 16, fauteil ho an’ny handisport, gants, kimono, protège tibia, kiraro, hatramin’ny fanamiana amin’ny karazany rehetra. Tsy nisy diso anjara fa nahazo izany avokoa ny taranja 17. Ho an’ny taranja Taekwondo manokana, fiaraha-miasa amin’ ny masoivoho Koreana, ny nahazoana ny fampitaovana ho an’ny mpikatroka. Ny fitondram-panjakana kosa no nanome madiodio ny fitaovana rehetra ho an’ny taranja ambiny. Tsy vitan’izany fa nampanantena ny filoha Rajoelina fa hahazo valin-kasasarana miavaka na “prime spécial” ireo atleta mahazo medaly volamena, volafotsy ary alimo mandritra ity lalaon’ny Nosy ity, izay antenainy fa hahazo maro i Madagasikara. Mendrika homena valisoa, hoy izy, izay miady mafy ho an’ny firenena. “Efa teo foana ny fitondrana nanohana anareo ary mbola ho eo, tsy hiady irery ianareo”, hoy ny nambarany nandritra ny lahateniny.
Tsy ny atleta ihany no nojeren’ny fitondram-panjakana fa teo ihany koa ny federasiona izay tena niasa mafy ary mbola hiasa mafy mba hampamiratra ny mpilalao sy ny atleta malagasy. Ho fankasitrahana sy fisaorana azy ireo, nomen’ny filoha Rajoelina fanomezana manokana ny filohan’ny federasiona, ny tale teknika nasionaly ary ny sekretera jeneraly, eo anivon’ ny federasiona tsirairay.
Tetsy ankilany, nanamafy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, fa efa milamina avokoa ny zava-drehetra manodidina ny lalaon’ny Nosy. Tsy misy ny ahina fa miandrandra ny firaisan-kinan’ny Malagasy rehetra. Fandresena ao anaty firaisan-kina no tanjona.
Mi.Raz