Nilaza ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Haja André Resampa, tetsy Mahamasina, omaly, fa mitotaly 34 miliara Ar ny vola nampiasaina ho an’ity lalaon’ny Nosy ity. Nomarihiny fa tafiditra ao anatin’io avokoa ny sakafo sy ny fampiantranoana, ny fitsaboana ary ny fanomanana ny atleta.
Marihina fa efa vonona avokoa ny kianja rehetra handraisana ny lalao, hatao eto amintsika manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Anisan’izany, ny eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, Alarobia, ny dobo filomanosana Vontovorona, Ampefiloha, ny “Gymnase” Ankorondrano, Mahamasina, Ankatso. Ankoatra izay, nasiana fanamboarana ihany koa ny kianja Palais de Sport Mahamasina ary efa ho vita izany.
Tsiahivina fa maherin’ny 80 ny isan’ny trano fisakafoana handray ny delegasiona 4 200, izay Malagasy ny 1 490 amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa ny taona 2019, 43 miliara Ar ny vola nampiasain’i Maurice, tamin’ny fampiantranoana ny JIOI andiany fahafolo.
Fitia