Fotoana goavana sy ahafahana mampahafantatra an’i Madagasikara amin’ny any ivelany ary hampiroborobona ny sehatry ny fizahantany ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI) andiany faha-11. Fotoana hisarihana mpizahatany ho tia ity nosy ity ireo 10 andro hanaovana ny lalao. Misy ny paikady entin’ny minisiteran’ ny fizahantany hanatanterahana izany. Maro ny hetsika sy tolotra ary tranoheva hita eny amin’ny “village” Voara Andohatapenaka, hatry ny omaly. Ampirantina eny an-toerana avokoa ny vokatra avy amin’ny faritra 23 sy mampiavaka ny Malagasy. Tsy latsa-danja amin’izany ny toerana miavaka sy azo tsidihina ary hialan-tsasatra eto Madagasikara. Ankoatra izay, misy ny fihenam-bidy omen’ny mpiantsehatra rehetra ho an’ ireo mpizahatany manomboka ny 28 aogositra izao ka hatramin’ny 2 septambra amin’ny fitsidihana ireo faritra ivelan’ny Renivohitra toa an’Itasy, Mantasoa sy ny maro hafa.
Misy ny tolotra manokana mandritra ity lalaon’ny Nosy ity. Ahitana afisy fampahafantarana an’i Madagasikara hozaraina eny amin’ny trano fandraisam-bahiny misy ireo mpilalao sy delegasiona handray anjara amin’ny JIOI. Afaka misitraka izany izy rehetra rehefa manaraka ny torolalana ahitana ireo tolotra omena.
Henintsoa Hani